MISY FETRA (Hajanirina Mahavaly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsarovy fa ny zavatra natomboka rehetra
Tsy haharitra mandrakizay fa manam-petra
Koa saino sy diniho tsara izay rehetra atao
Fa sao lahy hitondra nenina ho anao

Kodiaran-tsarety ange ny fiainana an-tany
Anio ianao ambony rahapitso ho lasa ambany
Aza lany andro mifanenjika sy mifampitsara
Hialao ny fiatsaram-belatsihy dia hiadana any am-para

Isika mantsy miloloha lanitra ka tsy maintsy lena
Olombelona nofo sy rà ka manam-pahalemena
Tsy misy tsy ho diso fa izay mikiry no adala
Ndao hiombona sy hifankatia ka tsy hifankahala

Ireo disadisa nitondra korontana sy savorovoro
Ndeha ho soloina fitiavana tsy misy romoromo
Ny saina mihevi-dratsy soloy fahadiovam-po
Dia hanam-piadanana ka ho sambatra tokoa.

Hajanirina Mahavaly ( 21-04-2023)
--------
Lien:
190 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138