RESY (Mionitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy aho ankehitriny
Tsy mahavita mitraka intsony
Mangidy sady mangirifiry
Lay foko tiako hitony

Tsy te iaina itony aho
Fa tena leo ny miaina
Roe fahoriako toa mankalao
Nefa tsy misy azoko itarainana

Ray o!alaivo aho raha sitrakao
Fa leo ny miaina eto an-tany
Aza asiana hoe:fa ahoana izao?
Stria be loatra ireo tomany

Enta-mavesatra ho an'ny olona ny fisiko
Mampitondra fahoriana fotsiny
Ny miala eto no faniriako
Satria aho tsy misy dikany

Izay rehetra ataoko
Toa tsy misy mahatsapa
Tena miezaka aho manao ny soa
Kanefa heverina ho kitoatoa

Resy tanteraka aho
Tsy misy hery intsony
Tsy mahatraka akory
Fa tena be reo lonilony

Mionitra
22-04-10
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
1991 0
Hevitra mandeha
hery ( 23/03/2010 08:23)
Tononkalo mbola tsy nivoaka izany ity fa tokony hivoaka amin'ny 22-04-2010? :-)
Tsara e
Mionitra ( 23/03/2010 08:29)
Misaotra e!ten marn ne io e!
tsila ( 23/03/2010 12:51)
Tsy vahaolana ny fandaozana ny eto satria "ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra"
Mionitra ( 24/03/2010 04:56)
Misaotra betsaka manoana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mionitra
Nampiditra : Mionitra
Daty : 22/03/2010 05:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098