Aza variana (mpandalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza variana,
Mangoron-karena,
Amin'ity fandalovana fa mba mandiniha;
Ianao efa giana,
Sy mampahonena,
Vao hotsaroana fa nisy nania.

Mandalo miserana,
Sy mora lo,
Ny harena sy vola mandreraka anao;
Fa misy toerana,
Tsara kokoa,
Efa voahomana honenanao.

Ny olo-maditra,
Efa very fanahy,
Ka tsy mba handova ny mandrakizay;
No hipitrapitra,
Sy hangahiahy,
Fa tsy nety niova hatramin'izay.

Ovay malaky ary,
Fa ndrao hanenenana,
Ny fomba famindra, fa androny izao;
Aza diso miantsampy,
Manorom-ponenana,
Antanim-bahiny , fa sao very ao.
--------
Rohy:
1169 2
Hevitra mandeha
tsial ( 17/06/2010 09:03)
Aingam-panahy entiko hananarana ilay olona iray izay.
Talboty ( 17/06/2010 17:11)
Bonne le tonokalo e !!!!. Merçi!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpandalo
Nampiditra : tsial
Daty : 17/06/2010 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108