Dindona (Nantto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy nofy toa mandindonaManamboly milaza inona
Mampatsiahy ny zavatra fahiny
Mamerina ny fiaina fahiny
Te hiantsapy ianao nefa ho aiza
Te hiantoraka nefa ankaiza
Mitanisa ny lasa voaseho toa jinery
Tsy afa-mankaiza zato tena irery
Gaga gamba ianao raha lazaiko
Fa miaina
Mitamberina ny lasa feno aina
Te hiangavy nefa hilaza inona
Hanina sy embona zato mandindona
Ny lasa dia fitsiahy
Ny ho avy tsy hanahy
Ny fiainana ireny
Mampitsiry nanto tsy hireny
--------
Lien: