Ny fony (Nirhy-Lanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fony no tompon'ny fokoIzay tokana tsy azo sasahina,
Mihidy, voahombo, voaloko,
Ka tsy azon'ny hafa fitahina.
Fa ô ! vona baibona mafy,
Ny hombon'ny dina, Rahavako !
Na inona bala hifafy,
Hajaiko ny dinam-pitiavako.
Ny lango, ny bika, ny vola,
Dia satriko kosa ho tsorina,
Fa bala tsy mety hahatola
Ny manda-pitia tsara orina.
1949
in Rindrambolana
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana