Takalom-pitiavana (Nirhy-Lanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana ihany, Rahavana !No hany takalom-pitiavana ;
Ny zavatra ivelan'izany
Dia lainga sy fitaka ihany.
Ny vola natsanga-ko vahatra,
Marefo mitovy amin-jahatra ;
Tsy manda-pitiavana ireny
Na lambolamboin'ny fiteny !
Fitiavana niara-narendrika
No manda mahery sy mendrika,
Ka manda no sady harena
Fa rado nampia-bolamena
25.03. 55
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana