Tsiaro ho azy (Nisainana RAFETRARIVO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitako ianao za mody tsy nijery
Fa miaritra an'ilay fery
Mahatsiaro n'y taloha
Ka tohina n'y fo


Fitiavako anao mbola tsy niova
Toa mitoetra mandrakariva
Raha ny faniriako moa tsy hiofo
Saingyii........ toa fitia voarirarira


Dia mitoetra aretina tsy mety sitrana
Izay tsy ahitana fanafody
Fa ianao ilay tiany, sitrany
Hitondra azy amin'ny lalana mody


Lasa olom~patatra sisa n'y amintsika
Toa samy lasa raha eny an~dalana
Ny lasintsika ao mangatsika
Ahitra maniry eo ambaravarana


Za tsy hanery oe miverena
Fa henoy izay lazainy fo
Ny fitiavantsika nihavery
Ankiniko amin'ilay Tsitoha

??
n°2#2024_Mars_03
Nisainana
Base ill?
--------
Lien:
130 1
Fans: NISAINANA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nisainana RAFETRARIVO
Inséré par : NISAINANA
Date : 03/03/2024 18:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145