TOMANY (Noëlson L. ANDRIANIAINA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranomaso hotsakotsakaNo nandrakotra ny tavako
Tomany mivarararaka
No nandaosako ilay havako
.
Tomany miantso mafy
Hoe fa nahoana no misy?
Tomany tsy mba niafy
Saingy nefa indrisy?
.
Nefa indray andro any
Misy mbola ahatsapa
Ilay asarobidin'ny tomany
Fa hoe tena latsapaka
.
Nitomany tsotr 'izao
Ny any anatijo any
Fa nanjary nifandao
Ka tomany sisa no tamy
--------
Lien:
Catégorie :
Tojo fahafantesan_kavana. - Sedra fisarahana - Fahafatesana - Fisarahana - Fahatsiarovana - Alahelo