Any aoriana any, (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any aoriana any,

Zafikely :
Misy fanontaniana mba valio za dadabe,
Teto Madagasikara nisy tolona maro be,
Nandiso fanantenana sy namoizana aina.
Izay nahazo fahefana nanadino ny taraina?

An-taona maro hono ny vahoaka nijaly,
Maro ny nitrosa vao naha-voavidy vary,
Ny fidiranim-pianatra tsy tenenina intsony,
Misy ny mijanona na tsy sitrakin’ny fony.

Rehefa marary hono tena sahirana,
Soa fa mba nahavidy voasary makirana.
Ny fitsaràna koa toa tsy nianteherana,
Ny herin-dravola no toa tompo-toerana?

Mbola lava ny tantara, tsy voatanisa,
Maro ireo nitady lalana, nankany ampita.
Na satrin’izy ireo aza hono teto ihany,
Lasa nila ravinahitra, nandao ny akany?

Dadabe :
Aoka dadabe aloha hitomany kely,
Manenina mafy aho, nandaka bandikely,
Tafika tokony hiambina ireo malaso,
No nanipy baomba,mandatsadranomaso.

Isan’ireo tafika aho tamin’izany,
Nandray baiko, jeriatriaka hatrany.
Isaorako mafy ireo tanora nitolona,
Nijoro niady ho an’ny zo maha olona.

Ireo mpiitolona no nanova ny tantara,
Natoky sy nino, fa misy ny ho avy tsara.
Tsy nanaiky intsony ireo adalana rehetra,
Fanao mahazatra, nahakivy ilay toetra!

Nisy avy eo tafika nanampy ny tolona,
Tsy nahazaka nitazana fijalian’olona,
Hafaliana moa ny an’ireo vahoaka,
Efa ela nandefitra, tsy afa-nitroatra.

Sarosarotra ihany aloha ny fanarenana,
Ny herin’ny maro natambatra ho tehana.
Ka tratra ny tanjona hatrany ambanivolo.
Amin’Izao ny vahoaka, manan-jo daholo.

Dia nifamihana ilay zafikely sy dadabe !
Ianao koa ve mino fa ny safidy lehibe ?

Nosy Malala
Oktobra 2025
--------
Lien:
447 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123