FANDROSOANA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mahita tsirony tamin’ny kolikoly,
Dia lasa raikipitia tsy te hiala intsony.
Mamboly voky tsy mamboly voky,
Mahafantatr’olona dia manana toky.

Raha maikamaika tsy tia miandry ela,
Antso antariby dia milamina ny afera.
Misy olo-tsy fantatra, mandondona birao,
Rehefa mamoaka valopy dia vita ny atao.

Hadino tanteraka fa ny fandrosoana,
Dia miankina amin’ny fikolokoloana
Toetsaina mitsinjo ny ho avin’ny tany,
Fa tsy ilay tia kely, mandrora mitsilany..

Ny olombitsy mpangorokarena,
Amin’ny tsy rariny, mambotry firenena.
Dia miara-mahantra any amparany ihany,
Raha toa ny Firenena no atao an’izany.

Raha ny marina kosa no ho tafa-joro,
Ambanin’ny lalana ny iray manontolo,
Dia handroso tanteraka ny Firenena,
Saingy mbola tsy takatr’ny tia tena.

Ny andrenivohitra sy ny ambanivolo,
Samy tokony miaraka voakolokolo,
Tsy ho lavitra akory ny atao hoe lafatra,
Indrisy fa maro no tsy mahatakatra !

Nosy Malala
Janoary
--------
Rohy:
529 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 16/01/2025 09:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126