Fo mitempo (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fo mitempo,

Na ampiana aza moa,
Hanana ny ho avy soa,
Zaza tsy afaka manoatra,
Na maniry mba hivoatra.

Sakafo moa tsy zarizary,
Vatana marofy sy marary,
Ny tabatabandray sy reny,
No hira heno ombieny ombieny.

Rehefa any ampianarana,
Lavitra ny hoe havanana,
Latsa indray no mba re,
Avy amin’ny mpanabe.

Fiainanareo milantolanto,
Ny azy nofy izany Ankatso,
Fahasahiranana ara-bola,
Iainan’ ny ankizy sy tanora.

Moa va misy any ho any,
Fo mitempo manontany,
Ny ho avin’ireto ankizy,
Terak'anatin’ny kirizy,

Taona maro nifandimby,
Rendrarendra lafo vidy,
Atokana ho an’ny mpanefo,
No hany re manakoa eto...

Nosy Malala
Aogositra 2025
--------
Lien:
571 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3053