NY VOLA (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vola,

Hono ho aho, sao misy vola any ho any,
Zaraina fotsiny, mba ilazao ihany.
Na koa azo otazana toy ny voankazo,
Na toy ravina raofina satria malazo.

Nisy ve nahazo vola teo ampatoriana,
Na ariary zato teo ambony fandriana ?
Na koa manofinofy ho miliaridera,
Amin’ny fanambakana, mody hoe afera.

Matoa misy ny vola dia nisy olona any,
Niepa-tanana, namokatra izany.
Eny, ankizy mbola tsy ampy taona,
Mamaky vato amidy, satria noana.

Ka raha manana ianao dia dinidiniho,
Ny nahazoana azy ve mba madio ?
Rehefa voavaly ny fanontaniana,
Mahaiza mitantana sy misafidy vina.

Raha tsy manana kosa, aza mora kivy,
Ireo salama vatana, miantsoroka adidy.
Hody vetiny ihany ny rano atsakaina,
Matoky hatrany fa ho avy ny maraina.

Ny vola maka fanahy toy ny trondro hitan'ny saka,
Alaina an-kery, mahakenda sy mety handratra.
Fa izay vonona sy vanona, mazoto mitrandraka.
No hanangana Firenena mandroso sy matanjaka.

Nosy Malala
Novambra 2025
--------
Lien:
246 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013