REVIN-GISA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Revin-gisa

Satriko lahy rehefa hohanina ihany,
Dia aleoko any akaikin'ny namako hatrany.
Tsy mety  ilay teritery ao anaty sobika,
Ambony fiara, mandrivotra sy mangatsiaka.

Mitabataba ny vorontsiloza sy ny akoho,
Mandatsaka , mamofona, marary ny loha.
Ny lalana diavina mbola mandritra ny alina,
Izahay mifatotra tongotro tsy misy ohanina.

Izaho gisa tonga andrenivohitra ihany,
Tsy aharitra ela fa ho lafo avy hatrany.
Atao fanatitra faran'ny taona,
Ho an'ireo ngeza, tsy mahalala noana.

Fa satriko hoy aho rehefa hohanina ihany,
Dia tiako kokoa tany ambanivolo tany.
Atao sakafo ho an'ireo tambanivolo,
Mandava-taona, zara fa mahita katsaka atono.

Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
708 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149