FADY (Ny Afy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh!! f'angaha ianao adala?
sa tsy mahalala,
ny fombafombanay,
f'izao ataonao 'zao
dia tena tsy azo atao ,
fa faditaninay.

f'izao angaha ry bavy a!
manaova ala fady a,
izay angaha no mety,
hanatero toaka
sy tantely indray mifaoka
etsy ananona etsy,

dia izay no tsara ho fantatra,
fa iny angaha vao santatra,
ka tsy mampaninona
fa amin'ny manaraka,
dia aza atao intsony,
satria tsy fomba tsinona.

Ny Afy.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
799 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142