IANAO REHEFA TIA (Ny Afy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F'ianao rehefa tia,
toy ny hoe adala
tsy mety mahalala
izay mety ho voka_dratsy,
haterany ao aoriana,
fa tia ka dia sondriana
mianoka an'izany,
toy ny tsy eto an_tany.

f'ianao rehefa tia,
matetika mitroatra
entanim_po be loatra
ka tsy mahadinika,
izay tokony atao
hoe mety ve izao?
fa izany angamba,
izany hoe jamba.

fa ny onjan'ny fitia,
rehefa tafalentika
mahatonga anao imbetika
toa te hifaly hatrany,
toa te hifampitantana,
na aza misy sakana
fa tena mankafÿ
ianao rehefa tia.

NY AFY, t@ 16_12_17
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1465 1
Fans: javi_wise
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142