NATERAKA HIJALY (Ny Afy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa misy ve nateraka hijaly?
fa anisany aho raha misy 'zany,
ka mibaby kitra vesaran'ny tomany,
noho ireo fahoriana nanjoa efa omaly.

tena misy izany, eny tena misy,
fa na ny vintako aza mampihanahana
izany no nahatonga ahy, zohïm_pahantrana,
ambanian'ny maro, tsisy 'zay mitsitsy.

tsy ny rehetra anefa no nateraka hijaly
laviko avy hatrany raha 'zay no izy
misy ireo natokana ho sambatr'izay ts' izy,
ireny no antsoina hoe nateraka hifaly,

fa mba mahagaga ny mahatonga izany,
angamba ny fiainana no miangatra
ka misy ireo mijaly, misy koa ny sambatra ,
na dia aza samy olona eto an_tany

NY AFY t@ desambra 2016
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1135 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141