SOMBINAIKO (Ny Afy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho faty aho anio,satria tsy fantatsika,
ny tendry sy ny lahatra
dia ataovy an_tsaina
f'ianao ilay sombinaina,
no sady efa vahatra,
izay toka_nifaharako,
nandritry ny tantarako.
ianao ilay nomena,
hiara_dalana amiko,
hitantana ny tanako
sy koa efa nekena
ara_panjakana
handova ny fananako.
fa sombinaiko ianao,
ka mamiko sy teliko,
mba hanam_pahendrena
tamin'ny anatra natao,
meteza ho modely,
hoan'ny firenena.
Ny Afy,
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy