ZAZA SARY (Ny Afy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ankizy milalao
eo an_tokotaninay
nandinika aho nisaina izao,
mba firy ireo no manan_dray?
dia nisaiko izy rehetra,
ka efa nisy ho roapolo,
indrisy nefa nampitsetra
samy tsisy ray daholo.

dia tsy nasiana fiheverana
ny momba ireto ankizy
fa fitiavana niserana
na fitiavana tsy izy,
dia nisy izy ireny
antsoina ny anarany,
nefa avy eo i neny
no sisa tratra farany.

dia mba silak'iza àry,
ireto zaza ireto?
indrisy zaza sary
ka mampivelon_tsento,
i neny amin'izay
migoka ny mangidy,
fa sendra izay ray,
mpandositra adidy.

NY AFY, t@ 30_06_17
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1110 1
Fans: javi_wise
Commentaires
andriiamihajlahatra ( 21/08/2018 12:12)
tsara be,tiku
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014