Ao ambadika ao (Ny Ala Zohimbato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro ilay fofon'aina mamelona anao
Menjelanjelatra ny hazavana sy ny maraim-baovao
Ny tsiky sy haravoana, mikorisa sy milanto
Mameno izao fo, midoboka tsy miato

Etsy an-daniny anefa lahitokana ny aina
Saron'ny haizin'azavana ka dia amoron-patana
Mibitsika mangina, sy tsy tamby hisaina
Milaza fa tsy ela no mipetraka amin'ny vatana

Ao anatin'ny aloka no mampanantena anefa
Feon'ny fanahy miezaka mitolona
Fa misy ity fiainana izay tsy misy fetra
Dingana iray, fa ny fanahy no mahaolona

Ny Ala Zohimbato
--------
Lien:
11 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119