Ao ambadika ao (Ny Ala Zohimbato)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro ilay fofon'aina mamelona anaoMenjelanjelatra ny hazavana sy ny maraim-baovao
Ny tsiky sy haravoana, mikorisa sy milanto
Mameno izao fo, midoboka tsy miato
Etsy an-daniny anefa lahitokana ny aina
Saron'ny haizin'azavana ka dia amoron-patana
Mibitsika mangina, sy tsy tamby hisaina
Milaza fa tsy ela no mipetraka amin'ny vatana
Ao anatin'ny aloka no mampanantena anefa
Feon'ny fanahy miezaka mitolona
Fa misy ity fiainana izay tsy misy fetra
Dingana iray, fa ny fanahy no mahaolona
Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
