Feno (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno!
Feno hono ny any anatiny
Ary ampoka fitia
Fa ireo alahelo izay tsy tantiny
Nisinda ho doria

Meva......,meva ny andrompiainany
F'ireo izay nitarainany
Efa tonga fanamperam-pahasambarana
Ampoka fiadanana

Efa indreo ny sariny nataony niariary
Navoakany an-diary
Mba hampibaribary ny porofon'ilay tiana
Hanehoany hafaliana!

Feno....Eny tena lafatra
fa tafitany ilay hafatra
Nitambatra izy izao
Fa izaho kosa.......? Nataony an-kilabao
veloma.......
Mandrampihaona!

Ny Ami
--------
Rohy:
1688 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 28/07/2015 15:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01