Lasitra iray (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mirana ianao,
Mifaly aho ato anatiko
Ny fahorianao,
Nanjary toa tsy tantiko
Ny tebitebinao
Nanindrona ny aiko
Izay tsy tianao,
nanjary tsy nilaiko.

Raha misy mahazo anao
mifendro aho mitoloko,
Raha mitomany ianao,
izaho mifokofoko
Dia lasitra iray ihany
ny fiainantsika roa
Na tsiky na tomany
niraisana avokoa.
Ny Eja 2001
--------
Rohy:
1424 2
Mpakafy: Mimakely - fiaritiana
Hevitra mandeha
mampikanto ( 30/10/2004 07:10)
Tena tsara ka! Tena poetin'ny fitiavana tokoa ianao ka!
Marina e!

Inona avy kay ny sehatra misy anao eo @sehatry ny kanto ankoatry ny tonokalo!
nyeja ( 31/10/2004 12:22)
misaotra ry mampikanto, ny sehatra misy ahy dia poety sady mpamorona tononkira, ankoatra izay dia mandalina ny maha malagasy aho .
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143