Setrin'ilay fitia natolotra (ny eja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anao aho... Fa tsy nosaininao
Tia anao adala,
Dia niantso anao malala
Tanaty eritreritro ...
Ianao ninia nikipy
Nandositra ny tsikiko
F'ilay fitiavana ahy
Dia ho fankampanahy !
Tia anao aho,
Saingy efa nihonona
Novoriako ny heriko
Naleoko aloha ho antonona
Ilay fatra sandainao
izay setriny eo ateriko !
Fa any aoriana any ...
Dia aza manontany
Hoe aiza ho aiza lahy
Aiza indray ho ahy
ilay fitiavanao!
Tsy nojerenao aho
Ka hiova tsotra izao.
Ny Eja 2007
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Commentaires
Sara
(
14/09/2007 13:07)
Mahafinaritra mihitsy ny tononkalonao ry Ny Eja, miantefa aty am-po, raha sitrakao dia mba te hifanoratra mail aminao aho.
nyeja
(
11/01/2008 02:35)
mankasitraka an'i sara, biz
rhina
(
12/09/2009 14:38)
d mbola maneo fisaorana an'i Ny eja sy fankaherezana d mirary soa sy fanambinana hatrany fa tena tsara e!!! tsara sady kanto ny asa soratrao
Rfntr
(
30/09/2009 07:14)
mafinaritra ny kanto malagasy vohizinao Ny Eja ary mankasitraka anao mamentsoventso ny tontonlonay. mankahery hatrany