Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy tony (Ny Ela Nihetezana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tony ...Na dia hanonja mafy hipaoka aza ny rano
Na dia tsy hisy lakana , fa voatery hilomano
Androany akia malala, izaho tsy maintsy tonga
Fa te hahita ny endrikao , na ray minitra monja
Na mety hiraondraona hikotroka ny andro!
na aza hisy zavona , hanamaizina ny antoandro
Androany takariva, tokotokony aminy dimy
Ho any aminareo aho anio no hivahiny
Satria ! ny eritreritro tsy mbola mety ho tony !
Fa misaina anao matetika, hatramin'ny vavony
Ka n'inona hisakana ,izaho tsy maintsy hanainga
Fa nahatsiaro loatra anao aho ny anikeheo maraina
Ny Ela Nihetezana
--------
Lien:
Catégorie :
embona
