HO AN’IREO … HODY (Ny R. FIDIMANANTSOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry sakaizako nandranto lavitry ny tanindrazana,
Sambatra aza I Gasikara, misy anao mbola hankamamy;
Manko maro ireo milaza fa teren’ny ady mazana
Ka tsy hanana fotoana hiherehana amin’izany;

Dia hadino ‘lay akany mahonena, mavomavo,
F’asa, tsy hainy ny miaina isanandro mihafihafy!
Ka heveriny ho tafita, tena tafasondrotra avo
‘lay tsy manina ny hody, sarimonina any an-dafy.

Nefa ianao tsy nanadino, tsy manolo ny niaviana,
Mankamamy izany mody, tsy miandrandra paradisa,
Rehefa tonga anie ianao, ho tafaray ny tia sy tiana;
Ho tsimbotry: tsy hifandao, tsy hifanary tonga adrisa.

Dia ho fantatrao tokoa, no sady tena ho hainao tsara
Fa na inona mitranga, tia anao koa Gasikara.

Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Lien:
1136 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139