Hihira (Ny Radontsoa Mamiratra)

Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihira ianao androany: Hira mitanisa
ny tsiky sy ny olatry ny lasanao rehetra;
Hira te-hidradra fa nisy paradisa
tanatin’ilay fo nirianao ho tomoetra …

Mihira ianao androany: Kalokalo manja
mirakitra ny tsantan’ny diary anatinao …
Ngadona sy rima mahay mandanjalanja
ireo korontan-drindran’izao tontolo izao.

Fa mbola hihira ianao: hira tsy mifetra,
Handevona ny ela nandrotika Fanahy ;
Hiran-kasambarana sy tsiky tafatoetra;
Hiran-teny mamy … Hirahira ho ahy!

Ny Radontsoa Mamiratra
12/05/2020
--------
Lien:
572 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012