Irery va? (Ny Radontsoa Mamiratra)
Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“What do you call it, freedom or loneliness ?" Charles BukowskiMangina ka mangina ny andronay ety
Misento ka misento … Mamerina mandia
‘lay eritreritro iny : ‘lay tia misetrasetra;
‘lay faly mampanjavona ny misy ety rehetra!
Fa mamy ange ka mamy ‘lay akanin’i Neny
Fa tiana koa ka tiana ‘lay zandrinay ireny …
F’izany tsy mba fantatra, izany tsy mba hay
raha tsy feno fendrofendro … An-tany lavitra izahay …
Nanakaiza ianao, nankaiza … r’ilay fahazazàna ?
Ilay malefaka iny, ‘lay mpino fahagagana …
Fa osa ange ka osa ny foko mahonena
giazan’ny herisetran’ny fahaleovan-tena …
Ny Radontsoa Mamiratra
17/04/2023
--------
Lien:
Commentaires

hery
(
21/11/2023 22:38)
Rehefa mampiditra anta ianao dia ilay ID fotsiny no apetraka fa tsy ilay lien rehetra. Nampiako fanazavana menamena ao rehefa mampiditra feo.

ravelonarivomirado2001
(
22/11/2023 15:15)
Voaray fa misaotra betsaka ^^
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ny Radontsoa MamiratraInséré par : ravelonarivomirado2001
Date : 27/05/2023 08:26

Lectures
Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
Audio Player