Nofy sisa . . . (Ny ToKy ( NTK ))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy sisa . . .Alahelo avy ao anaty ,
Sento tokana tsy satry
Tsy mampatory rehefa alina
Lasa saina malimalina
Mitampify izy irery
Ireto masony te hijery
Fa any ianao, tsy fantatra
Hoe maninona ? ankamantatra
Dia ny nofy sisa no hany azo atao
Izay no mba fomba kely hiarahako aminao
NtK 2012_04_12
--------
Lien:
Catégorie :
Ny ToKy ( NTK ) - tsara - Tontolo iainana - tantara - Hambom-po - Malalaka - Fampaherezana - fanantenana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo