Adidiko : Izaho sy Ianao (Nyfandeferako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa ve tsapanao fa ilaina izaho sy ianao
Hatry ny omaly, anio , eny hatramin'izao
Ilaina isika mba ho avin'ny fiainatsika
Ilaina ho sangam-baton'ny tsiky

Na ny firenena na ny ankohonana
Na ny saikaiza na ny fiangonana
Dia mila zatovo mavitrika sy sariaka
Satria ireo no manodidina ny fiainantsika

Noho izany ry tanora namana
Andeha isika andeha isika hanolotra ny tanana
Anampy amin'ny asa , hevitra sy fahaizana
Tsy mavesatra ireo fa adidy kely maivana

Jereo kely ny tokatrano
I dada sady mamo
Aza manahaka azy intsony
Sahia manintsy azy amin'ny fo tony

Ny fiaraha-monina mila adidy
Ny fahaizana sy ny fihavanana koa aza amidy
Fa ataovy ho fampandrosoana akaiky anao
Ny mila fanampiana , ireo akama mitalaho

Tsarovy fa ilaina hatrany hatrany
Ny fisianao eto an-tany
Ka aza kivy amin'ny fijaliana
Fa eo amin'ny fiainana mila manàna fifalina
--------
Rohy:
414 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nyfandeferako
Nampiditra : Nyfandeferako
Daty : 18/04/2023 16:05
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143