Sodoka (Oully)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny endrikao
Na ny bikanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao namitaka
No nisarika ahy hankasitraka

Tsy ny toetranao
Na ny fombanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao nisoloky
No nisarika ahy hatoky

Tsy ny fahaizanao
Na ny asanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao nihatsaravelatsihy
No nisarika ahy hitia

...

Tsy ny fifankatiavanareo
Na ny fanambadianareo
No "tsy nampoiziko"
Na 'halako"
F'ireo teninao tsy mety diso
No nisarika ahy ho rikoriko
Ka nitàna an-dolom-po
Ny fitiavana tsy raikitra


Paris, 26 aogositra 2004
--------
Lien:
1870 0
Commentaires
bichette ( 31/08/2004 07:42)
oups !
Avelao ny taloha fa ny ho avy banjinina.
Oully ( 31/08/2004 10:22)
Zay njay njy fa masiaka foana 😞(
Ok aza eh!
bichette ( 31/08/2004 13:09)
tsy masiaka aky a ! fa manampy ! ary marina izany.biz
NyKanto ( 31/08/2004 18:07)
Ry NAMAKO,

Tsy ny tononkalonao
Miventy ny hoe natoky,
Nitia sy nakansitraka
Dia milaza fa voafitaka
No hanolatra ny ratra.

Tsy ny fitiavanao mandrasa
Tia mamohafoha ny lasa
Sy manala tako-pery
No hanala ny fanaintainana
Sy hampitraka ny fiainana.

Fa atreho aloha ny ho avy
Tsy siaka izany na koa sazy
F'izay no baikom-pahendrena
Tena hampody volamena
Ilay fonao vasoka omaly
Sy hampisinda koa ny jaly.

Ny Kanto.













Oully ( 01/09/2004 22:34)
Soa fa nisy anareo, ianareo namako! la! la! la! la!
Aza manahy ianareo fa aloka sendra nandalo sisa.
Mankasitraka am-pitiavana. Bizzz
nants ( 02/09/2004 17:41)
mahafinaritra ny tononkalonao satria
miventsoventso ilay fitia
ilay fitia izay voafitaka
ary koa voahitsakitsaka
sipagasy ( 02/07/2005 15:12)
nants, mmmhhhhh
Oully ( 14/01/2024 11:40)
Ikalamako. Misaotra akia niantsa fa hay ve moa nisy an'intony tononkalo intony. Mafy ny nanaovandri azy. Mankasitraka !
ikalamako ( 23/01/2024 22:22)
Oully : izaho koa dia mba niteny irery teo ampamakiana azy hoe hay ve nisy an'izao tato e (tranga lela) (vanivany) (kouerakouera)
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Oully
Inséré par : Oully
Date : 30/08/2004 21:01
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149