ANY I NENY (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY I NENY,

Lavitra anao aho ry Neny,
Aty an-tanin’olona aty,
Ny tononkaloko no hiteny,
Hamboraka anao ilay fitia
Koboniko isan’andro irery
Noho ny alahelo anao
Amin’ny fo tsy an-tery
Satria fitia madio tsotr’izao

Tsaroako tokoa isan’andro
Ireo hafatrao sy anatra
Ianao no nahafotsy , nahandro
Izao fiainako faly sy sambatra
Miaraka amin’ny fianakaviako
Ny vadiko sy ireo zanaka
Fa ny fitiavako anao tsy nariako
Lova ho anay taranaka

Neny, lavitra anao aho aty
Tsy ho afaka hanoroka
Kanefa dia matokia
Fa izaho tsy hikely soroka
Hitondra anao am-bavaka
Mba hihaona soa aoriana
Andro iray izay hiavaka
Fa tanteraka soa ny faniriana.

Tompo ô, mba henoy ny vetso-poko
Ho an’ilay reniko tsy foiko.


PETAKASOA (faha 10-mey 2010)
--------
Rohy:
2202 1
Hevitra mandeha
Malita ( 28/05/2010 12:17)
tena tsarabe
mankasitraka
Miarahaba sahady ireo reny rehetra koa
petakasoa ( 22/06/2010 07:19)
Mankasitraka anao nametraka hevitra ihany koa. Mankatelina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101