AZA ADINO (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA ADINO

Aza adino ny mivavaka
Mba hisaotra Ilay Nahary
Fa Izy mahavita zavatra
Tsapa, hita miharihary

Raha ianao mamaky io
No mbola velon’aina androany
Dia tsarovy tadidio
Fa mbola fitahiany izany

Aza adino ny mivavaka
Mangataka famélana
Fa mandatsaka an-davaka
Ny heloka sy fahotàna

Ny satana miasa mafy
Hahapotika fanahy
Atsangano izy ho rafy
Mijoroa mba ho sahy

Aza adino ny mivavaka
Ho anao sy ny rehetra
Fa hery no handravaka
Ny finoanao efa mitoetra

PETAKASOA (faha-14 mey 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - fananarana - Vavaka
1933 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138