NY FOKO VE NO ... (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOKO VE NO….Ny foko ve no adala
Mitia olo-mandalo
Sa izaho no ninia tsy hahalala
Fa satry hanana olo-malala
Ny foko ve no leo manirery
Miantsampy amin’ny olo-mandalo
Sa izaho no ninia tsy hijery
F’io fitia io hamela fery
Sa ny foko kosa manantena
Fa ho anjarany ity olo-mandalo
Ka itsy farany no hanao fanekena :
“Ianao no tiako” ary “ fitia tsy noterena”
PETAKASOA
Alakamisy 27 aogositra 2015 00:15
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana - Fitiavana
Fans:
Petakasoa - tovo2015 - RabetokotanyTiana - hery - manitra2015 - zaratiana - voninkazo33 - malagasy1