NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY


NY ZANAKA, ny zanaka
Nomen’Ny Avo ho taranaka
Napetrany eo ampelatanana
Hokoloina, ho tohanana
Koa mangataka aho ry Ray
Ho an’ny Raiamandreny tsirairay
Omeo toetra mendrika
Hitaizaina ireo tsy ho rendrika



NY RAIAMANDRENY,
Nomen’ny Avo ho toavin-teny
Fitarainana sy Fanalahidy
Ka tolo-janahary sarobidy
Koa mangataka aho Ray
Ho an’ny zanaka tsirairay
Omeo fahendrena tsara
Hanajàna ireo Vy Nahitàna




PETAKASOA (faha-19 jona 2010)
--------
Rohy:
3371 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117