TOLO-JANAHARY (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLO-JANAHARYEndrey izany hafaliana,
Tonga vahiny kely nirina,
Izay efa nandrasana ombieny,
Hisy hiantso ihany hoe : Neny.
Taona maro mantsy no lasa,
Tsy tanteraka izay kinasa,
Ahazoana an’Ikoto sy Ikala,
Niongo-bolo, nila ho adala.
Nalaina ny tsihy avy namadihana,
Natao tambany kidoro filafihana,
Niandry fitahian’ny razana,
Kanjo moana teo, nihidy vazana.
Natao indray ny fomba hafa,
vokatry ny dinidinika sy tafa,
Mazotoa hono mandohalika mivavaka
Fa Ilay Nahary manome fitahiana miavaka
Dia roso ary izato dia,
natao antsaina “minoa sy matokia”,
Tsy ela akory taoriana,
nitsiky ty molotra efa maina kina.
Mananjanaka ianao hoy i Radoko,
Mitonia, atsaharo ny toloko,
Misaotra anao Ray Mahery,
Namonjy ity olom-bery.
PETAKASOA (Alatsinainy faha-26 aprily 2010)
--------
Lien: