Tsy haritro (Pharaon)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haritro ny mahita ilay endrikao
feno hatsarana ka higagana
mampientana ny foko ilaza vaovao
ity ny foko omeko hanjakana

Tsy haritro ny tsy hamina
ity vatanao mazàna
izaho tena talanjona sy tena sondriana
sady mitampify haka hafanana

Tsy haritro ny tsy hanoroka
ity molotrao ry neny
fa tena matsiro tsy mba mahatofoka
mahatamana ahy izy ireny

Tsy haritro ny tsy hitia anao
izay no azoko lazaina
faniriana efa ela ny ahy izao
ny ho malalanao izay no andrandraina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
72 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Pharaon
Inséré par : voady
Date : 28/08/2024 12:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136