Tsy haritro (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haritro ny mahita ilay endrikaofeno hatsarana ka higagana
mampientana ny foko ilaza vaovao
ity ny foko omeko hanjakana
Tsy haritro ny tsy hamina
ity vatanao mazàna
izaho tena talanjona sy tena sondriana
sady mitampify haka hafanana
Tsy haritro ny tsy hanoroka
ity molotrao ry neny
fa tena matsiro tsy mba mahatofoka
mahatamana ahy izy ireny
Tsy haritro ny tsy hitia anao
izay no azoko lazaina
faniriana efa ela ny ahy izao
ny ho malalanao izay no andrandraina
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana