Satriko (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko sy ankafiziko kokoa
ny ho eo anilanao eny foana
matahotra mantsy sao tafasaraka tokoa
ndrao tsy hahita anao mandava-taona

Satriko raha ny hafaliana ihany
no mahenika ny fiainako tontolo
nefa ny tebiteby sy ny fijaliana eto an-tany
injao manjaka mampitsangam-bolo

Satriko dia satriko foana
raha ny mamy no atelina
nefa ny mangidy manoloana
injao manery ahy tsy hay hafenina

Satriko sy hiriako anio dieny anio
raha ny hazana no handravaka
an'io voary tsy foiko nofinidiko io
hanafaka azy amin'ny aizina ao andavaka
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana - Fiainana
459 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117