Ampidiro aloha ny tenimiafina
Satriko (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko sy ankafiziko kokoany ho eo anilanao eny foana
matahotra mantsy sao tafasaraka tokoa
ndrao tsy hahita anao mandava-taona
Satriko raha ny hafaliana ihany
no mahenika ny fiainako tontolo
nefa ny tebiteby sy ny fijaliana eto an-tany
injao manjaka mampitsangam-bolo
Satriko dia satriko foana
raha ny mamy no atelina
nefa ny mangidy manoloana
injao manery ahy tsy hay hafenina
Satriko sy hiriako anio dieny anio
raha ny hazana no handravaka
an'io voary tsy foiko nofinidiko io
hanafaka azy amin'ny aizina ao andavaka
--------
Rohy:
