Teny iray (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny iray monja
no andrasany avy any aminao
teny iray mafonja
no andrandrainy dia lazao

Teny iray manan-kery
hanafaka ranomaso
ambara tsy an-tery
amin'ireo tratrin'ny ankaso

Ilay teny hoe tiako ianao
nambabo ahy hatrany
tsy ho tonta na vaovao
mahaliana ahy ihany

Teny efa reko foana
mampitempo izany fo
teny iray tsy mivaona
eny mamiko tokoa
--------
Rohy:
627 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 06/08/2024 05:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115