Teny iray (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny iray monjano andrasany avy aminao
teny iray mafonja
no andrandrainy ka lazao
Teny iray manan-kery
hanafaka ranomaso
ambara tsy an-tery
amin'ireo tratrin'ny ankaso
Ilay teny hoe tiako ianao
nambabo ahy hatrany
tsy ho tonta na vaovao
mahaliana ahy ihany
Teny efa reko foana
mampitempo izany fo
teny iray tsy mivaona
eny mamiko tokoa
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana