Torio fitiavana (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Torio fitiavana aho, lazao fa tinao
Na tsy misy manjamaso ! Na dia fantatrao
Fa vovoka biriky no nandokoiko volo !
Ilay fitia maharitra, fa tsy irony afo-mololo.

Handaingao kely raha tsy ampy ilay fitia ;
Ny “natoraly” hoe no mendrika satria
Tsy misy fitaka ny hatsaran-tarehiny,
Marina kokoa ny tsiky sy ny hehiny.

Torio fitiavana aho, mba mody hoe ny toetra
No sitrakao indrindra amin’ny haingoko rehetra.
Torio fitiavana aho fa ho valiako zato heny !
F’ izaho koa efa tia na dia tsy miteniteny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1797 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 17/06/2017 19:05
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103