VAVAKA (RA Freddy Jn)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o, raha sitrakao anieMba henoy ity vavakay izay mitalaho
Fa voagejan'ota sy hadalana re
Ity Madagasikaranay ity
O mba henoy, sy mba valio ry Ray
izato fitalahoanay ,
Fa Ianao anie ilay mahay ny zava-drehetra
Mahita ny takona, sy izay miery amin'ny haizina.
Iza moa no hitalahoanay raha tsy ianao
Ka henoy ny vavakay raha sitrakao
Jesoa o, ekeko fa Mpanota tsy mendrika aho
Nefa ianao tsy manda izay mibebaka,
Ka sahy aho ny hanatona Anao
RA Freddy Jn
Jona 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
