Fitombon'ny Taona (Rabarison Roberto Stephan)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitombon'ny taonaSady faly aho no malahelo
Satria ny taona mitombo
Ny vatana mihaosa
Sady faly aho no malahelo
Satria ny adidy mihamitombo
Ny vatana mihavotsa
Dia hitombo indray ny taona
Hiena ny andro hivelomana
Ny ditra atao mandra-pihaona
Fa ny ho avy no hilofosana
Dia ho matotra amizay
Toy ny olobe rehetra
Ny hanihany afohy fa hay...
Tanjona no taringetra
Dia hiezaka ny hivoatra
Tsy mitady fanampiana
Ny ezaka tsy misy aoka
Fa maro ireo vinavina
Hitombo iray indray ny taona
Ora vitsy kely monja
Ho feno efatra amby roapolo taona
Hiady fa ny fiainana mafonja
Misaotra anao ry ray
Nanome ahy tombon''andro
Mino aho fa mandrakizay
Maraina , hariva , atoandro
Misaotra an'i dada sy neny
Nikolo sy nananatra ary nanabe
Ireny akory tsy antery
Fa ny fitiavanareo no zava-dehibe
Dia misaotra ilay vady
Nanohana ahy sy nihezaka
Fa na dia maro ary ireo adiady
Dia tena mafy ianao tsy nifezaka
Misaotra an'ireo akama rehetra
Nanohana foana raha sendra ady mafy
Misaotra lalandava , misaotra tsisy fetra
Na tena mafy ary ny ady nareo tena niafy
Ka Misaotra amin'ny fo !
Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy