Ianao lasa tiako (Rabarison Roberto Stephan)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao lasa tiakoTsy aiko hazavaina
Mandravozavo ao an-tsaina
Hoe ianao dia lasa tiako
Mamiko , tsy foiko, ary tsy ho ariko
Makarary ny any anaty
Raha ny te amboraka tsy taty
Hoe : ianao ka lasa tiako loatra
Ka fiainana mamy no hirina hatrany an-kotra
Mahagaga fa ianao dia lasa tiako
Niaina fiainana hafa nanjary faniriko
Dia manofy ny haniry hiaina sambatra matetika
Ka ho fiaina-mamy foana hatramin'ny masoandro milentika
Fa ianao dia lasa tena tiako
K'anefa olona sendra nandalo
Lasa mamiko tsy ho ariko
No sady tsy amidy no tsy atakalo
Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto StephanNampiditra : Roberto2001
Daty : 03/10/2025 06:43
