Ilay Fitiavana (Rabarison Roberto Stephan)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fitiavana

Hay ve ny fitiavana mahafaty
Isan'andro mitia, isan'andro enao miafy
Miafy fa tena tia nefa ampahorina
Tia fitiavana ity kay mampitondra fahorina

Raha izaho aloha, aleoko mitia amin'ny vava
Dia mitsiky foana na ilay fitia ary efa rava
Fa raha mitia olona tena amin'ny fo
Dia mety ho simba ianao fa lasa kitoatoa

Vao mietrika kely dia filam-baniny foana
Feno hasarotam-piaro mandritra ny fotoana
Enao efa miezaka mitandrina no sady hendry
Fa izy mora romotra no tia mibedibedy

Hany ka lasa kivy aho isakin'ny miresaka
Satry mahita anazy tezitra dia mivalaketraka
Dia alahelo foana no hiainana matetika
Na ny endriko ary tsisy tsiky fa toa mifentoka

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Aingam-panahy - Fitiavana
186 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149