inona ary moa ny vady? (Rado)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ary moa ny vady, ô ry lahy?Moa tsy aina
sombinaina
sy fanahy...
Ny vady tiana
fifaliana
akaiky fo
tan-danivoho
ka tsy ho lo...
O! ny vady
tsy fiady
fa ho tady
ikambanana
ho namana.
Tsy fanosy
na fambosy
fa aina iray
mandrakizay
sy fitia
doria doria...
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
Penhell
(
27/07/2006 18:01)
Ho an'izay tsy mbola manambady no tsara mamaky sy mandray io tononkalo io.Aza manambady raha tsy hahatanteraka ireo fe-petra ireo.Ho an'izay efa manana kosa dia mirary soa ho antsika.
ANARIM
(
28/07/2006 03:50)
Penhell : aiza kosa no dia oe "aza manambady raha tsy hahatanteraka ireo fepetra ireo" fa raisina atao repère sy balise le izy