Rehefa tia (Rado)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia ianao, tiava fotsiny ihany
f'aza mieritreritra ny hilaza izany akory
Tehirizo anaty 'lay eritreri-mamy
Sao vaky fefiloha ny sisin'ny kamory.

Nahoana raha mangina fotsiny am'zao
'Sao ny sarobidy no manjary very hasina
Hiverina impiry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra 'zato ranomasina ?

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
"Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa"
--------
Lien:
18041 11
Commentaires
faralisy ( 19/04/2007 13:34)
Marina, ary tena marina mintsy ny voalazan'io tononkalo io satria: misy ny olon amolaza tia,de mamboraka izany fitiavany izany amin'ny olona heveriny ho tiany nefa refa voalazany izany faniriany izany ka manaiky ilay ankilany de mahita ahafa izy de ilaozany ilay olona notiaviny, de very teo ny toky hoe tia, fa raha tsiniloaka izy de afaka tsy nandika ilay voady fa voatana tao am-pony , eny fa na dia tsy niaraka aza izy sy ilay olona noheveriny fa tiany.
rfanomezantoky ( 23/09/2019 13:00)
Nefa anie mafy koa ilay mitahiry an'io ao am-po ao fotsiny e. Tsara ihany izy avoaka fa indraindray literaka aretim-po raha avela ao fotsiny
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015