Ry tenindrazako (Rado)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny mamiko ianao ry tenindrazako, ry teniko !
Tiako ianao, lalaiko loatra, ary izao dia tsy afeniko
Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko
Mampitovy lanja anao sy Neny ‘lay niteraka ahiko.
Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny
nanononako an’I Dada, nanononako an’I Neny ?
Dia I Dada sy I Neny, sampan-drano nitsinjovako
ny loharano niandohako, dia ireo ràzana tsarovako.
Dada, Neny, Mamy izany, Aina nisehoan’ny felana
tany nisehoan’ny voa, lalana nanelanelana,
Vavolombelona hita maso naneho ny lasa izay takarina
ho tsinàpa sy azo raisina ary tena nisy marina...
Tiako I Dada, mamy I Neny, nefa inona lazao
ny ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao ?
Ry tenindrazako lalaiko, ry teny mamy tsy hariako,
taminao no nahalalàko ny faka nitsiriako ...

Ary raha zohiana indray ny zana-tohatra niakarako
Teny an-dàlan’ny fiainana nisoritan’ny tantàrako
dia lasitra namboarinao notinefinao maharitra
hifanentana amin’ny molotro, no nahaizako namaritra
ny hasoan’ito taniko. Ka na lanitra balika
na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka
na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo,
eny anivon-takariva mampiherika mpandalo,
ka mampody aina indray ilay tanàna haolo ngàzako ...
Taminao dia taminao ! Taminao, ry tenindrazako.

Ary nony vaky volo ilay fitia tanaty foko
Ka niràraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,
Moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro
hanambara ilay fitia nampombain’ny fo natolotro ?
Teny tsotra mahalàza ny fitia sy ny alaheloko
izay nifaritra ho tantaran’ny tsiambarambararateloko
Eny, ho’aho, ry tenindrazako, ry fiteny malagasiko,
tsy nindrana aho fa ambiny aza ireto vita an-taratasiko !

Tapitra eo va re ny fy sy ny voa izay notazako
taminao ry teny tiako, taminao, ry tenindrazako ?
Moa ny herinao voafetra ho an’ny andro fahazazako
ka raha misondrotra ny taona dia hiletsy ilay malazako ?
Tsia, ry teniko lalaiko ! Tsia ry teny izay hiamboko !
Tsia, ry teny malagasy ! Ry fiteny iray tsy foiko !
Ataoko ahoana no hanadino, fa ireo aina sy solofoko,
ireo taranaka avy amiko ary tena sombi-nofoko :
tsiro vokatry ny faka, piti-drako tonga aina,
sarobidiko lalaiko, nofiko raha hadiva haraina !
Noro, Fanja, Vero, Tiana, Hery, Zo, Voahangy, Mamy...
Tsy taminao daholo va no nanononako an’izany ?
Taminao no nahitako izay mba laniko ho anarany,
na i Ramatoaniaiko, na izato Andriamparany...
Ry tenindrazako lalaiko ! Afa-po ny faniriako,
fa azo taminao daholo izay nitiavako ny tiako.

Ary moa ho lany tsiro ny herinao raha toa fakaina
ny hasinkasin-kevi-tsoa italanjonan’ito saina,
rehefa injay ianao velarina hanamboarana ny fiainana :
mibaribary sy miseho ny marina ekem-pisainana.
Voazavanao ny tsy hita maso, tazoninao ny fahagola
raketinao ny fahendrena tamin-drazako efa tola.
Abaribarinao an’ohatra ny adim-piainana itolomako
ny eritreritra sy nofiko, ny hevi-dalina ironako,
ny fanahy mikatsaka hery, ny finoana izay ilomako
hay tsy zava-baovao, f’ efa nisy ka iombonako
tamin’ireto razambeko, olon-kendrin’ny fahiny
italanjonan’ny taranaka mandimby ankehitriny !
Dray ! ry teny mamy laotra ! Dray ry teny iray mba tiako
Moa tsy toro-hevitrao no nanitsiako itony diako ?
Tiako ianao, lalaiko loatra ! Ny momba anao sy ny forongony
Noraiketin’ity foko amin’ilay vilany nongony...
Ka ny satanao rehetra sy ny zony no andrianiko
Ny hevitra napetrakao hozohiko sy antoaniko
Ka na firy refin’andro hany sisa holalovako,
Ahy, ianao ry tenindrazako , ary hijanona ho lovako.

RADO
(Dinitra -takila 15,16,17)
--------
Lien:
Catégorie : Tenindrazana
3866 4
Fans: Cup - shafira - jantina - hery
Commentaires
rina15 ( 07/12/2023 11:22)
tsy lefy laza ilay tononkalo...mampihetsika ny ambom-po hanandratra sy ho tia bebe kokoa ny tenindrazana, dia ny teny malagasy izay mbola namelomantsika ireo taranaka hatramin'izay nifandimby..Mankasitraka an'i Rado ilay mpanoratra tsy maty fa mikalo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rado
Inséré par : hery
Date : 02/05/2022 19:47
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157