Lomano anaty oram-baratra (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOMANO ANATY ORAM-BARATRA Niolomay aho
Nanenjika anao
Teny Ambodivona
Kinanjo, ny orana nidona
Nitselatra ny fo
Fa rava teo tokoa
Ilay tantaran-tsika
Fa dila ianao tsy hita
Fiara iray nitrena
Sy izaho nihenahena
No indro sisa tazana
Midiridiry mihidy vazana
Te hitroatra, te hitsoaka
Ireo mason’ny vahoaka
Mijery tsy misalasala
‘Ty izaho mila ho adala
Eny mantsy raha mba fantany
Raha rava koa ny lapany
Dia tsy nomeny tsiny aho
Raha manjeny toy izao
Any andro, any volana
Tsy ho foana akory ny olana
F’izao fijaliako izao
Mbola hanenenanao
R. JO 16/12/04 22h : 02 alina
--------
Lien:
Catégorie :
fisarahana
Fans:
Malalason
Commentaires
andriary
(
18/12/2004 17:15)
Matihanina lay tonokalo!ny mmpanoratra no marimarina kokoa!misaotra e!
NyKanto
(
21/12/2004 18:39)
Tononkalo mampiseho ilay sonia ny maha-malagasy!
Ny Kanto
Ny Kanto
vetsoko
(
24/12/2004 15:21)
sady tsara ilay tononkalo no mampalahelo ilay tantara
mahafinaritra
mahafinaritra
SOBIKA
(
27/12/2004 15:41)
ountsssssss!!
tena mahavariana ny fandaharany ireo soratra
anehoana ilay mpanoratra
ny tena vokatry ny fony tamin'izay fotoana izay nipôka mafy toa tsy hay zay hiafarana ;hianjerana fa toa takon'azavana! satria de orana mikija no nifafy teny antava satria dia rava ilay manda.
tena mahavariana ny fandaharany ireo soratra
anehoana ilay mpanoratra
ny tena vokatry ny fony tamin'izay fotoana izay nipôka mafy toa tsy hay zay hiafarana ;hianjerana fa toa takon'azavana! satria de orana mikija no nifafy teny antava satria dia rava ilay manda.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)Inséré par : Malalason
Date : 18/12/2004 08:33